Manankarena angovo isika eto Madagasikara, araka ny feo iombonana heno avy amin’ireo mpandray anjara amin’ilay andro natokana ho an’ny angovo eny amin’ny Carlton Anosy.
Efa mipetraka nanomboka tamin’ny taona 2013 ny politika fikarohana miompana amin’ny angovo azo havaozina sy madio. Misahana manokana izany ireo sekoly ambony marobe miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny Fikarohana siantifika. Mikatso eo amin’ny dingana fanamarinana andrana miaraka amin’ny fanapariahana anefa no misy antsika amin’izao fotoana izao noho ny lafiny hoenti-manana, araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra samihafa misahana ity tetikasa goavana hanafoanana ny olan’ny herinaratra eto Madagasikara ity. Vahaolana mahomby azo ampiharina tsara manerana ny nosy kosa ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina avy amin’ny herin’ny masoandro izay mitobaka tokoa eto amin’ny firenentsika, hoy ireo injeniera nivoaka avy tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona. Marobe mantsy ireo velarantany azo hametrahana «panneaux solaires» izay efa tena miroborobo any amin’ny faritra ambanivohitra ankehitriny. Afaka mamokatra angovo avo 4 heny mihoatra amin’ny angovo vokarin’ireo gropy mampifikitra mafy ny fanjakana amin’izao fotoana izao ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto Madagasikara, araka ny fanampim-panazavan’ireto farany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.