Araka ny vaovao marim-pototra avy any Afrika Atsimo dia tezitra mafy ireo mpitarika ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC taorian’ny fitohizan’ny fanapahana samirery ataon’i Andry Rajoelina sy ny ankolafy tarihiny.
Noho io antony io dia nandefa taratasy tany amin’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy ireo firenena mampiasa teny Frantsay aty Afrika nilaza fa tsy afaka ny hanatrika ny fivoriambe Frantsa sy Afrika hotontosaina any Nice (Frantsa) ny 31 mey izao izy ireo raha vao manatrika any i Andry Rajoelina.
Taorian’io taratasy io dia namaly ny avy amin’ny La Frantsa fa tsy hanome fanasana an’ i Andry Rajoelina. Voalaza tao anatin’izany taratasy izany mihitsy aza fa ny fitondrana frantsay dia tsy mankato ny fitondrana tetezamita. Fantatra ihany koa fa tsy ny firenena iray mihitsy no hanimban’i Frantsa ny fifandraisany amin’ny firenena afrikanina maro. Nazava ny tenin’i Alain Joyandet, Sekreteram-panjakana frantsay misahan any fiaraha-maisa, tamin’ny onjam-peo iraisam-pirenena RFI omaly fa tsy isan’ieo nasaina hanatrika ny fihaonan’i Frantsa sy Afrika i Andry Rajoelina. Ny fanasana an-dRajoelina amin’io fotoana io manko dia isan’ny fankasitrahana azy tamin’izay ‘fandavan-tena tsy hirotsahany ho fidiana’ izay, saingy tsy afa-manoatra i Frantsa. Tsy nasainy koa manko i Robert Mugabe satria isan’ireo olona voasazin’ny Vondrona Eoropeana ity filoha zimbaboeana ity. Manoloana izany indrindra dia tsy afaka ny hanao zinona ny sazin’ny Afrikana ho an’i Andry Rajoelina i Frantsa mba tsy hisian’ny mizana tsindrin’ila sy mba hisorohana ny hiverenan’ny tranga tany New York ny volana septambra 2009. Araka izany, tsy fantatra intsony na dia noho izy sazy izay no tsy hanasan’i Frantsa an’i Andry Rajoelina sa paikady fotsiny ihany mba tsy ho hita taratra be loatra ny fanohanan’i Frantsa ny filohan’ny FAT , na koa tena mahatsiaro ity mpanjakana fahiny fa efa vita ny raharaha nilana an’i Andry Rajeoelina ka dia tapahana hatreto ny firaisana petsapetsa taminy.
Nanantena mafy i Andry Rajoelina fa hahazo fanasana avy amin’ny Frantsay hanatrika ity fivoriana ity ary mbola nolazainy tamin’ny Radio RFi izany taorian’ny fanambarany fa tsy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany. Mety nisy toky ihany koa tany ho any saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona e !
Momba ity fihaonana Frantsa-Afrika ity ihany dia hanao hetsika any Nice ny vondrona GTT, ao anatin’ilay hoe SOS Frantsa-Afrika. Lohahevitra amin’ny hetsik’izy ireo ny hoe : «Tsara ny fanatontoloana, fifanakalozana mifandrindra, fiaraha-miombon’antoky ny samy mpandresy».
Fa sy Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.