Actualités

Andry Rajoelina “Ho hitan’ny vahoaka eo izay vato misakana”


  • Zoma 30 Aprily 2010


“Tsy hamadika ny vahoaka Malagasy aho, indrindra fa ireo lasibatra tamin’ireny vono olona mahatsiravina niseho lany ireny, indrindra fa ny raharaha 7 febroary”, hoy i Andry Rajoelina raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly hariva nialoha ny fihaonan’ny efa-tonta tao Pretoria. Io anefa no fototry ny tsy fitoviam-pijery eo aminy sy ny ankolafy telo hafa. Mikasika ny fizaran-tseza ao anatin’ny governemantan’ny fampihavanam-pirenena indray dia nambarany fa “efa milamina ny amin’iny ary taratry ny fahavononako hitady vahaolana amin’izao krizy aty Madagasikara izany. Misy anefa ireo mbola mikiribiby, miaro ny tombontsoan’ny tenany manokana. Ho hitan’ny vahoaka eo, araka izany, izay vato misakana amin’ny famahana ny krizy”, hoy izy. Tsy dia ankasitrahan’ireo mpanelanelana amin’ity krizy ity anefa ny firesahana amin’ny mpanao gazety ataon’ny delegasiona ofisialy midinika any Pretoria ireto. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT