Misisika mafy amin’ny hametrahana ilay andry goavam-be an’ny orinasan-tseratsera iray tantanan’ny Frantsay ny fanjakana amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ny Omert teo aloha izay niova ho ARTEC amin’izao fotoana.
Nidina tany Antsirabe mihitsy ireo tompon’andraikitra ny alarobia lasa teo ary nihaona tamin’ny ireo solontenam-pokonolona sy ny lehiben’ny fokontany Tsarasaotra. Fantatra tamin’izany fa nisy solontenan’ny minisiteran’ny fahasalamana ihany koa teo izay nandresy lahatra ireo mponina amin’ny filazana fa tsy marina ny filazana fa misy fiantraikany ara-pahasalamana ny fipetrahan’ireny fitaovana ireny eny an-tanàna. Nambaran’ny solontenam-pokonolona moa fa hisy, hono, ny fanaovana andrana ampahibemaso ny fitiliana ny “radiation” izay azon’ny rehetra hojerena any amin’ireny toerana efa misy andry ireny saingy tsy mbola naharesy lahatra ireo vahoaka izany. Fantatra fa tsy mbola raikitra ny fitohizan’ny asa fa noho ny fikarakarana ny fifidianana aloha dia mbola haato izany sao manakorontana hono. Nisafoaka moa ny ramatoa iray mpiasan’ny ARTEC raha nahita ny solontenam-pokonolona nitafa tamin’ny mpanao gazety ary nanao vavabe sy nandrahona ireo mpanao gazety ny tenany ka nilaza fa” haiko ny
asanareo fa 25 taona tao amin’ny minisitera ny tenako ka avoahy ange io raha tsy hifankahita isika e !”, hoy izy tamin’ireo mpanao gazety. Mbola tantara mitohy, araka izany, ity resaka andry goavana ao Tsarasaotra ity ka dia ho hita eo ihany ny tohiny. Raha tsiahivina dia efa saika niteraka sakoroka ary voatery nidiran'ny mpitandro filaminana mihitsy ity resaka Tsarasaotra ity ary mbola misisika ihany ny fanjakana sy ireo mpandraharaha.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.