Actualités

Andron’ny ankizy ho an’ny boriborintany faha-6 Naompanay tamin’ny lafin-javatra 3, hoy ny depiote Horace


  • Talata 21 Novambra 2017

Nomarihana omaly 20 novambra toy ny isan-taona ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy hatramin’ny nanamarihana azy voalohany tamin’ny taona 1954 mba hanamafisana ny fanajana azy ireo sy ho fanajana ny zony.

Nanamarika izany toy ny firenen-drehetra maneran-tany isika teto Madagasikara. Ho an-dry zareo eny amin’ny Boriborintany faha-6 dia efa nialoha lalana izy ry zareo  tamin’ny fanamarihana izany teo amin’ny fiainanana andavanandro, araka ny nambaran’ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin’ny antoko TIM, ka naompana tamin’ny lafin-javatra 3 niavaka tsara ny fanehoanay ny fanajana ny zon’ny ankizy izany, hoy izy, ka voalohany tamin’izany dia nanehoanay fa manana zo ny hianatra ny ankizy Malagasy ka dia nampianay ireo ray aman-dreny manampahasahiranana amin’ny fampidirana ny zanany hianatra tamin’ny fandoavana ny saram-pidiran’izy ireo hianatra na eny amin’ny EPP na CEG hatramin’ny Lycée. Faharoa dia ny fanehoana fa manan-jo hanana fonenana madio ny ankizy ka izany no nanaovana ny fifaninanana « Fonenana Madio » natomboka ofisialy ny 11 novambra teo teny Anosisoa Ambohimanarina ka nandraisana mpifaninana 45 avy amin’ny fokontany 31 izay samy notolorana seau sy kifafa nanadiovana tanàna. Hetsika faha-3 dia ny fanehoana fa manan-jo hilalao toy ny namany rehetra ny ankizy ka nanohizana ny hetsika “Mitsinjo ny hoaviny” andiany faha-2 ka nanomezana ireo renim-pianakaviana maromaro ny Boaty vilany tany hitehirizana vola izay hovakiana amin’ny volana desambra 2017 izao hahafahan’izy ireo mividy kilalao ho an’ny zanany avy amin’ny fetin’ny krismasy ho avy izao.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT