Misy faritra andro ratsy vao miforona ao avaratra atsinanan'ny Nosy ka mety hivadika rivodoza izany amin’ny faran’ity herinandro ity.
Vinavinaina hizotra mianatsimo ny diany ary mety handalo eo anelanelan'i Madagasikara sy Nosy La Réunion. Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro dia tany amin’ny 650 km avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foibeny, ary 1006 hPa ny tosiky ny rivotra entiny, araka ny fanazavan’ny Sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro CMRS atsy amin’ny Nosy La Réunion. Hatreto dia tsy misy fiantraikany amin’ny toetr'andro eto Madagasikara ny fisiany. Raha ny tombantombana vonjimaika kosa, dia mety hihamafy ny heriny any amin'ny 500 km avaratra atsinanan'Antalaha anio alakamisy 01 martsa tolakandro ary mety hivadika ho rivodoza izy amin’ny faran’ny herinandro io, izany hoe ny zoma na ny sabotsy ho avy izao . Mila mitandrina noho izany ireo mpampiasa ranomasina, ary mila manara-baovao ny rehetra manoloana ny mety ho fivoaran’ity andro ratsy ity.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.