Mpanjono am-polony, mpitarika fikambanana mitantana ireo ala honko any Manambolo-Tsiribihina no niala ny tanànany, ka namakivaky halaviran-dàlana hatrany amin’ny 1500 km.
Hamonjy ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko any Tolagnaro, izay hisokatra manomboka anio 26 jolay izy ireo, saingy tombony ho azy ny fahafahana nisitraka ny hakanton’ny zavaboary. Angady nananana sy vy nahitana azy ity ny sampana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny tontolo iainana na ny WWF. Afaka nihaona sy nifampiresaka tamin’ny fikambanan’ny mpanjono any amin’ny faritra Vezo, izay mitantana ny ala sy ny fari-dranomasina izy ireo. Nitsidika ireo vondron’olona monina ao Andavadaoka, Salary, ary Ambondrolava ihany koa, ary nihazo an’i Morondava, Toliara,…Ho an’i Pima Fihereza, 81 taona, izay filohan'ny vondron’olona ifotony "Tafitasoa" tao amin'ny vinan'ny renirano Tsiribihina, dia nilaza izy, fa ny Vezo dia olona manara-maso tsy tapaka sy mpikajy ny kalitaon’ny fanjonoana, izay miantoka ny fahombiazana sy fahatsaran’ny vokatra. Anisan’ny teknika lehibe sy miantoka ny fahombiazana ny fikajiana ny ala honko, izay hiveloman’ny trondro sy ny foza. Ny fifanakalozana traikefa dia hery ho an'ny vondrom-piarahamonina tohanan'ny WWF eto Madagasikara, ka tombondahiny ny fihaonana teo amin’ny vondrona samihafa. 15 kosa ireo mpanjono Vezo no nanatevin-daharana hihazo an'i Tolagnaro, ka mihoatra ny 160 ny mpanjono eto Madagasikara andrasana amin’ny fihaonam-pirenena « MIHARI », hihaonan’ny tambajotra rehetra eto Madagasikara, izay hatao rahampitso 27 jolay hatramin’ny 1 Aogositra 2017.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.