Hankalazaina anio sabotsy 9 desambra ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly.
Hisy ny hetsika hotanterahina eny amin’ny Café de la Gare Soarano anio, ary hifanindran-dalana ao ny fampirantiana isan-karazany hoenti-maneho ny ady amin’ny kolikoly sy programa isan-karazany. Handray anjara mavitrika ao ny Hetsika Rohy. Hifantohana ny lohahevitra hoe : “Tanora leo kolikoly, mandray andraikitra manoloana ny ho avy, manandratra ny firenena”. Lanonana ofisialy no hotanterahina eny an-toerana, ka hisy ny lahateny isan-tsokajiny hataon’ireo manampahefana, indrindra fa ireo mpiantsehatra mivantana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hivoitra mandritra ny fankalazana anio ihany koa ny fandefasana mivantana amin’ny haino aman-jery ny adihevitra momba ity lohahevitra ity. Efa am-polony taona ny nitsanganan’ny sampandraharaha manokana miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Fanamby apetraka ny hoe : “Madagasikara afaka eo ambany vahohon’ny kolikoly”. Laharana faha-145 amin’ny 176 i Madagasikara tamin’ny taona 2016. Mila ahitsy eto Madagasikara, indrindra manoloana ny tetikasa sy programa iray fa lany andro amin’ny dinidinika ambony latabatra sy fiofanana fotsiny isika. Mbola maro ny fahefana sy hery ambony kokoa misalovana hatrany, ary iaraha-mahita fa mbola eo ambany fibaikoan’ny fanjakana ny birao manokana miady amin’ny kolikoly. Raharaha nafana teto amin’ny firenena, ohatra, ny kolikoly momba an’i Claudine Razaimamonjy, niarahan’ny rehetra nahita anefa ny fitsabahan’ny fanjakana. Mbola adihevitra ny fahaleovantenan’ny Bianco ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.