Raha ny nambaran’ny lehiben’ireto Jamŕ dia tsy avelan’izy ireo ho raraka an-tany fotsiny ny ran’ny naman’izy ireo maty, hamaly faty izy ireo. Hafotaka ny fifandonana amin’ity herinandro ity. Afak’omaly alina,
tao amin’ny fokontany Andranoboka any amin’ny kaominina Maomiandra Toliara II, dia Jamà (andrimasom-pokonolona) iray amin’ireo efatra voasambotry ny dahalo no nodoran’ireo malaso velona tamin’ny afona kodiarana, ka maty may kila forehitra, raha navotsotr’ireo malaso ny telo naratra mafy notifirin’izy ireo sy voakapa famaky, izay miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao, ka mbola manaraka fitsaboana. Raha ny vaovao voaray dia nanampy isa ireo zandary nanara-dia omby very tao Belalanda, very dia tao Maromiandra ny Jamà miisa 23 avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Ankililoaka.
Lehiben-dahalo antsoina hoe Deba, zandrina ben’ny tanàna
Tao anaty fifandonana no voasambotry ny dahalo ny efatra tamin’ireo andrimasom-pokonolona (lehilahy mahery). Raha ny fanazavan’ny Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait, Commandant de Compagnie Toliara, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, dia efa efatra ny Jamà matin’ireto dahalo tarihan-dRafesy na fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe : Deba, zandrin’ny ben’ny tanànan’i Maromiandra.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.