Matoa ny firenena iray efa anjakan’ny vahiny ka mihamahazo vahana izy ireo eo amin'ny tany iray, dia midika fa hanjavona ny fahefan'ny tompon-tany, ka ho lasa firenena voazanaka tanteraka indray amin'ny fomba vaovao io firenena io, hoy i Andrianina Rajoharison,
filoha nasionalin’ny antoko politika Andrianiko ny tanindrazako. Ohatra azo raisina i Maorisy. Mandroso ity Nosy kely ity, ary manankarena avo 25 heny mitaha amin’i Madagasikara, saingy ny Maorisianina tena tompon-tanindrazana kosa zary anjorom-bala sy lasa mpikapa fary fa ny karàna sy ny mpanefoefo avy any ivelany no lasa mpitondra. Mizotra mankany isika izao ary efa manaporofo izany ireo tany lafo amin'ireo vahiny, toy ny karana nandritra ity fitondrana entin'ny filoha Rajaonarimampianina ity. Aminay izao zavatra mitranga eto Madagasikara izao dia efa faniratsirana sy famongorana tanteraka ny Malagasy, hoy izy. Marina fa efa hatramin'ny ela no nisy mpitondra nivarotra tany, efa hatramin'ny andron'ny mpanjaka mihitsy aza, toy ny tamin’ny andron-dRadama II sy ny “Charte Lambert”, kanefa ity fitondrana ity no tena manao tafahoatra. Ny Malagasy tompon'ny tany indray no mangataka atiny satria roahina amin’ny taniny, harodana ny tranony … Mazava fa ny fitondrana misy eto amintsika dia tsy mitsinjo ny vahoaka Malagasy. Tsy mba mahalala menatra, efa any anaty tambajotra “facebook” vao hita hoe ireny misy vahiny tsy fanta-pototra mandehandeha eran'ny tanàna fa raha ny fitondrana dia tsy mahare izay ambonin'ny tany. Milaza fa mpitondra nefa ny vahoaka indray no mahalala aloha ny zavatra misy eo amin'ny taninao, hoy i Andrianina Rajoharison. Iniana atao ve ? Mikasika ny kajikajy politika amin’ny fifidianana kosa dia tsy ampahafirin'ny olona nibodo fahefana teto amin'ny firenena izao fitondrana misy izao ka hampifezaka vahoaka fa dia ho hita eo ny amin’ny 2018, raha ny fanehoan-keviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.