Actualités

Andranonahoatra-Itaosy Volan'ny Jirama Ar 30 tapitrisa voaroba


  • Zoma 05 Novambra 2010


Jiolahy enina mitam-basy indray no nanafika teny Andranonahoatra-Itaosy omaly antoandro. Tokony ho tamin'ny 1 ora sy sasany no niseho ity fanafihana ity. Fiara 4x4 an'ny orinasa Jirama haka ny vola tamin'ny sampana Jirama eny an-toerana no nosakanan'ireo jiolahy raha izy hivoaka avy naka ny vola iny. Vola 30 tapitrisa ariary no najifa tamin’izany niaraka tamin’ny fiara. Nambanan'ireo jiolahy basy ireo olona 4 tao anatiny izay mpandray volan'ny orinasa ny roa ary mpiambina ny iray miampy ny mpamily. Saika hamaly ilay mpiambina ka novelesin'ireo jiolahy ny vodi-basy ary naratra. Lasan'ireo jiolahy toarian'izay ilay fiara rehefa natosik'izy ireo hiala ilay mpamily. Hatry ny omaly dia nenjehin'ny zandary ity fiara Nissan 4x4 miloko fotsy ity mitondra ny laharana 6667 TAN saingy tsy mbola nahitana mangirana. Voalaza moa fa nihazo ny lalam-pirenena voalohany ireo jiolahy nitsoaka.

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT