Fiaran`ny polisy, karazana Jeep, miasa eo Itaosy no nirimorimo mafy teo Andranonahoatra Itaosy omaly talata 17 novambra
. Nivoha tampoka ny varavarana ary nikasoka ny fiara iray izay nosongonany. Inoana fa vokatry ny tandrevaky ny mpamily no nampivoha ny varavarana teny am-pandehanana. Tsy nijanona na dia iray segondra aza mba nanopy maso ny fahavoazan`ilay fiara nofaohiny ny mpamily fa nanohy ny diany hatrany. Avonavona ve sa fiheveran-tena ho tsy fehezin`ny lalàna no nahatonga ity polisy nanao izany fihetsika izany ? Nijery ny fahavoazan`ny fiarany ilay tompona fiara voakasoka ary nisento tokana dia lasa. Gaga daholo ny mpitazana nahita ny fihetsika mahamenatra nataon`ity fiarana polisy ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.