Efa nipetraka teto hatramin’ny taona 1930 ny razambenay, hoy Randriamamonjisoa Jean Pierre iray amin’ireo mponina eny Andranomborona etsy Ivandry Andranomahery.
Ny ray aman-dreninay taty aoriana, teraka tamin’ny taona 1937, hoy izy, dia nanana taratasy fanamarinam-ponenana natao vavolombelona saingy hatreto dia tsy mbola voasoratra aminay io toerana io ary rehefa niakatra fitsarana noho ny filazan’ny orinasa izay an’ny teratany karana fa azy ny tany dia resy izahay ka izao nahazo taratasy fampandrenesana izao fa ho harodana avokoa ny tranonay mipetraka ety amin’ity tany Barakat V mirefy 5 a manontolo ity. Voan’ny tsindry hazo lena izahay fa tsy mijery ny ara-drariny ny fitsarana, hoy Atoa Jean Pierre. Andeha hanatevin-daharana ny eny ambany tonelina sy «Aracade» indray ve izahay ? Manao antso avo amin’ny filohan’ny tetezamita koa izahay, hoy Rtoa Ranjarivelo Marie Jeanne, fa “efa nampanantena ny hidina ety an-toerana hijery izao mahazo anay ianao ka tongava mihitsy manara-maso izany». Rtoa Raharivelo Marie Josephine kosa dia nanamarika fa efa nidina teny amin’ity toerana ity ny avy amin’ny fitsarana fa tsy nahita baorina nipetraka aloha tamin’izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.