Tena miainga ao anaty loto tanteraka sy ny fofona maimbo avoakan’ny rano maloto sy fako sesehena manentsina ny lakandrano mamakivaky ny tanàna mandra-pivoaka any amin’ny faritry ny Cité Ambodin’Isotry ny mponina ao Andranomalina Isotry ao ankehitriny
. Efa hatramin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo no nanomboka tsentsina tanteraka ity tatatra ity dia izao jerem-potsiny tsy misy mpikarakara izao, hoy ny mponina teny an-toerana tamin’ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana omaly. Dia izao efa zatra ny miandry izay vonona ny handray andraikitra fa efa nandalovan’ny rehetra fotsiny tety tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra kaominaly teo, hoy ihany ireto mponina ireto. Ny fahoriana misy amin’ny fodimandrin’ny mpiara-monina iray eto amin’ity toerana ity izao no mba nanaitra ny fokonolona iray manontolo nanala ny fako niandrona teo amin’ny vavahady fidirana ilay tanàna misy razana am-bohitra ka nanadiodio ny manodidina tety.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.