Efa nitory mikasika ity fanodinkodinam-bola ity ny FRAM ao Andranofasika, distrikan’Ambato Boeny, ary nanaovan’izy ireo tatitra momba izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Ambato Boeny sy ny Talem-paritry ny fanabeazana ao Boeny saingy very anjavony tsy misy resaka io vola io hatramin’izao, hoy ny Ben’ny tanànan’ Andranofasika raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.
Ny taom-pianarana 2008-2009 no nitrangan’io, araka ny fanazavany ihany. Mpampianatra telo no nangatahina hampianatra ao amin’ny Ceg ary nanaovana tetibola. Iray hetsy ariary isam-bolana no natao karama tamin’izany. Mpampianatra roa ihany anefa no azo. Araka ny fanamarihan’ny Ben’ny tanàna ihany, izay tsy nanao afa tsy ny nampahafantatra ny zava-misy, dia sady lehiben’ny fari-panentanana ara-pedagojika, no talen’ny Ceg no mpandray vola saram-pisoratana anaran’ny mpianatra ary mbola mpandoa ny karaman’ireo mpampianatra FRAM ireo. Na izany aza dia fantatra fa manodidina ny iray tapitrisa ariary teo ny volan’ny FRAM nanjavona teo. Nisy iray alina sy iray hetsy ariary teo koa ny karaman’ireo mpampianatra roa tsy voaefa. Tsy naharitra izany moa ny iray tamin’ireo mpampianatra FRAM ireo ka dia naleony koa nandeha. Rehefa tonga ny taom-pianarana vaovao 2009-2010, niova vaovao ny talen’ny Ceg, sekoly izay misy mpianatra roan-jato eo, mandoa roa arivo sy iray alina ariary isan’olona eo saram-pianarana ankapobeny.
Taty amin’ny volana mey 2010 anefa vao vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale taloha sy ny vaovao raha tokony ho tamin’ny volana desambra 2009 no nanaovana izany, fa tsy teo an-toerana ary tsy hita tany naleha ny taloha, hoy ny Ben’ny tanàna. Nambaran’ity farany fa vola iray hetsy ariary sisa no tao amin’ny kitapom-bolan’ny sekoly tamin’io fotoana io, izay mampametra-panontaniana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpitantana vaovao ny sekoly. Lasa vesatra ho an’ny Kaominina izany ho an’ny Ben’ny tanàna, ny Kaominina izay voatery nitady mpampianatra roa vaovao rehefa lasa ny iray tamin’ireo roa teo aloha, ary voatery handoa vola sivy hetsy ariary, ho karaman’izy ireo ny volana mey, jona ary jolay diavina ity. Ho avy anefa ity ny fanadinana Cepe, ny Ceg tsy manam-bola hahafahana miantoka ny fanatontosana an-tsakany sy an-davany io fanadinam-panjakana hatao amin’ny alatsinainy 12 jolay io, hoy ihany ny Ben’ny tanànan’ Andranofasika. Tsy afaka hijery fotsiny izany ny Kaominina fa nanampy ara-bola dimy alina ariary. Koa eo no anaovan’ny Ben’ny tanàna antso fanairana amin’izay tandrifin’andraikitra momba ny fampianarana mba hijery akaiky ity olana ao Andranofasika ity fa raha izao no mitohy dia hotandindomin’ny fikatonana ny Ceg ao an-toerana ary hisedra fahasahiranana ireo ray aman-dreny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.