Actualités

Andranobevava Noterena nakisaka hatramin’ny «arręt bus»


  • Talata 11 Septambra 2012

Mbola tantara mitohy ny amin’ilay fanotofana tanimbary ataona mpitondra ambony etsy Andranobevava, Boriborintany faha-5, Antananarivo Renivohitra.

 Noho ity raharaha ity, tsiahivina ihany, dia nongotan’ny ministeran’ny filaminana anatiny, tsy niandry akory izay fampiatoana amin’ny asa nataon’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, ny talen’ny kabinetran’ity farany, ny kaomisera Rabearisoa Alexandre. Ankoatra izay, eny an-toerana dia noterena nakisaka tsotra izao hatramin’ny «arrêt bus» teo amin’ny faritra miditra ilay toerana. Didim-pitondra avy amin’ny Kaominina anefa no mamaritra ny fijanonana na “arrêt” ho an’ny fiara fitaterana iombonana eto an-drenivohitra. Tsy niandry izay taratasy fanafoanana na famindran-toerana “arrêt” anefa fa dia noterena nakisaka tsotra izao ary fantatra nampitaraina ny mpitatitra satria endrika didiko fe lehibe  mihatra ankehitriny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT