Actualités

Andramena sarona ao Sakaraha Kolonely mandraviravy 50 tapitrisa hamotsorana ireo tratra


  • Alatsinainy 24 Septambra 2012

Hatolotra ny fitsarana anio ireo olona telo voatazon’ny zandary sy voarohirohy tamin’ny fitondrana bolavolan’andramena miisa 70 saron’ny zandary tao Andranolava Sakaraha ny narain’ny 19 septambra teo.

 Nogiazana any Sakaraha moa ireto hazo sarobidy ireto taorian’ny fanadihadiana lalina tsy maintsy natao. Eto dia efa misy sahady olona ambony manao fanelanelanana amin’ny hamotsorana ireto voatazona. Araka ny loharanom-baovao azonay avy any an-toerana sy akaiky ny mpitandro filaminana dia misy kolonely miady mafy amin’izao ary manamby volabe 50 tapitrisa. Tsy nety anefa ny andaniny fa nampihatra ny lalàna. Dia ahoana indray ny ho tohin’ity tantara ity ? Ny zava-nisy hatramin’izay mantsy dia manjaka io fomba fanelanelanana ataona olona ambony io izay miendrika fanamparam-pahefana sy ramatahora mihitsy. Matoa mamafy vola izy ireo dia misy volabe mihodina ao ary misy ny hatahorana ho very tombontsoa sy ho traingo amin’ity afera maimbo ity. Ny fitsarana mandala ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina hatrany no tompon-teny farany. Ho hita eo indray.

Araka ny efa notaterina teto dia tsy honohono intsony fa tena misy ny fanondranana an-tsokotsoko boaderôzy any Toliara. Raha anontaniana anefa ny tompon’andraikitra mikasika izany sy tomorina akaiky ity afera ity dia milaza izy ireo fa matahotra. “Olona ambony no deban’io, ka aleo mangina fa mamy ny karama, mamelom-bady aman-janaka e !”. Dia toy izany foana ny zava-misy. Tsy misy intsony izany ny sahy hijoro amin’ny marina eto ? Tsy atao mahagaga raha lasa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ny Alliance Voahary Gasy miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy dia efa nilaza sy nampaneno lakolosy fanairana natetitetika momba ity boaderôzy ity, nefa tsy nasiana sira ary tsy nisy akory fandraisana andraikitra matotra fa maty ankaranany tany fotsiny ireny. Ny fanjakana koa moa variana loatra amin’ny raharaha Remenabila sy ny asan-dahalo ka takona na niniana notakonana ity afera maizina boaderôzy ity, hany ka migalabona ireo mpibizina fahavalom-pirenena, zarany aza nomena sehatra.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT