Actualités

Andralanitra Nisy nanafika ny tobin-dry Mompera Pedro


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2012

Nitrangana fanafihana mitam-basy teny amin’ny Toby Akamasoa Andralanitra, tantanan’ny mompera Pedro OPK ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy vao mangiran-dratsy.

 Andian’olona manao fanamiana miaramila, mirongo basy kalaky sy poleta ary zava-maranitra no tonga nanafika ny toerana misy ny fandraharahana ankaboben’ny Toby. Niharan’ny herisetran’izy ireo ny mpiambina tao an-toerana, mba hanerena azy ireo hanoro ny toerana misy ny vola ao amin’ny Toby. Nisy ny poa-basy, mbola nahitana vodim-bala vitsivitsy rahateo teny an-toerana. Niala maina tsy nahazo na inona na inona anefa ireo jiolahy ireo. Naratra noho ny toto vodibasy kosa ny telo tamin’ireo efatra niambina io alina io. Nohamafisina ny fiambenana ny Toby, ka ankoatra ireo sivily taizan’ny mompera Pedro dia misy zandary ihany koa mitoby vonjimaika eny an-toerana. 

 
Nandrenesana fanafihan-jiolahy koa tao Ankadiefajoro. Heverina fa ireo jiolahy avy tao Andralanitra no nanafika tany rehefa tsy nahazo. Vola telo hetsy mahery miampy finday no fantatra fa voaroban’izy ireo tamin’izany.
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT