Actualités

Andralanitra Nanome Ar.5 miliara ny Frantsay hanajariana azy


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Sambany hatramin’ny naha toeram-panariam-pako azy ny taona 1996 no hisy fanajariana goavana eny Andralanitra. Nahazo lelavola mitentina dimy miliara ariary mahery eo (2 millions d’euro) avy amin’ny Masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana na AFD ny kaominina Antananarivo renivohitra hanatontosana ny asa mifandraika amin’izany ao anatin’ny dimy taona.

Mizara telo ny asa ka ny dingana voalohany dia ny fanidiana tanteraka ny toerana amin’ny alalan’ny tamboho mirefy 1.600 metatra miampy ny fanamboarana lalana alehan’ny fiarabe mpitatitra fako ary ny fanamboarana fefiloha isaky ny faritra voatokana hanariana fako. Raha ny fanazavan’ny PDS Razafindravahy Edgard dia hanamboarana lavaka goavana miisa 10 eny an-toerana ka araraka ao ny fako. Isaky ny feno ny iray dia totofana ary mifindra amin’ny manaraka indray. Dingana faharoa kosa ny fijerena ireo fianakaviana 800 miaina amin’ny faritra misy ny fako izany hoe ireo mpitsindroka sy ireo mponina amin’ny manodidina raha ny fanakatonana tanteraka an’Andralanitra kosa ny dingana fahatelo. Raha ny vinavina dia afaka dimy taona dia efa toeran-kafa indray no hatao fanariam-pakon’Antananarivo. Toerana telo no efa eritreretin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra saingy mbola hisy ny fifampidinihana amin’ireo Kaominina misy azy ireo raha ny fanazavan’ny PDS ihany. Tsy hatoby ankalamanjana intsony fa avy hatrany dia ahodina ho zezika. Marihina fa 450T isan’andro ny fako avy eto an-drenivohitra atoby eny Andralanitra izay mitarika aretina maro ho an’ireo mponina eny an-toerana toy ny aretim-pivalalana sy ny aretin’ny taovam-pisefoana noho ny loto sy ny fofona entiny. 

Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT