Actualités

Andrakaka Ho seranana goavana indrindra eto Madagasikara


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Manam-pikasana hanangana seranam-piaramanidina iray vaovao ao amin’ny renivohitry ny faritra DIANA ny ministeran’ny fitaterana. Ao amin’ny faritra antsoina hoe Andrakaka izay mifanila indrindra amin’ny tanànan’Antsiranana no misy azy io.

Fanatsarana sy fanitarana no tena hatao raha tontosa ny tetikasa satria efa misy seranana manana halava 2600m sy sakany 44m ary misy fiantsonana mahazaka fiaramanidina 5 ao Andrakaka amin’izao fotoana. 400 tapitrisa euros no tentim-bidin’ny asa ka efa misy ireo mpiara-miombon’antoka vonona hamatsy vola raha ny nambaran’ny ministry ny fitaterana, Ranjatoelina Rolland.

Manan-danja lehibe tokoa ho an’ny faritra sy Madagasikara iray manontolo ny fahavitan’ity seranam-piaramanidina ity satria izy no ho lehibe indrindra aty amin’ny faritra Oseana Indiana. Kihon-dalana mampitohy antsika amin’ny kaontinanta Afrikanina sy Azia koa izy noho ny toerana misy azy. 20 minitra no amitan’ny fiaramanidina mampitohy an’Andrakaka amin’ny nosy Kaomoro, 45 minitra kosa ny mankany Seychelles raha adiny iray no mihazo an’ny nosy Maorisy sy La Réunion. “Ho faritra manan-danja lehibe tokoa io seranana io satria tsy maintsy mandalo eo aminy na misidina eo amboniny avokoa ny ankamaroan’ny sidina rehetra aty amin’ny ilabolan-tany atsimo”, hoy ny ministra. Hampivelatra ny faritra avaratry nosy amin’izao tontolo izao, izany hoe hitarika fampandrosoana ara-toekarena ny fisokafan’ity fotodrafitrasa ity. Marihina fa manana ny Arasara (arachard) izay seranam-piaramanidina miasa hatramin’izao ny tanànan’Antsiranana.
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT