Raim-pianakaviana iray manodidina ny 67 taona no fantatra fa hita faty tao an-tokantranony tao Andraisoro Fonenana ny sabotsy teo. Ny talata no hitan’ny mpiara-monina taminy farany izy.
Mipetra-drery ity raim-pianakaviana ity. Vokatry ny fofona efa nidofaka eran’ny tanàna no nanaitra ny manodidina ka nanosika ireto farany nampandre ny fokontany. Nidina avy hatrany ireto farany niaraka tamin’ny lehiben’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny mpitandro ny filaminana kinanjo efa vatana mangatsiaka tokoa no nifanehitra tamin’izy ireo. Nitranga ny lelany, niainga ny tongony raha araka ny loharanom-baovao hatrany. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly moa ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny BHM sy ny mpitandro ny filaminana azy. Raha araka ny fantatra hatrany dia any am-pitandranomasina ny iray amin’ny zanak’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.