Actualités

Andraisoro “FIS” fito lahy nanafika villa roa


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Nirongo basy lava sy P.A maromaro ireto jiolahy dia nanafika villa roa samy hafa tetsy Andraisoro ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Basy iray misy bala dimy, vola mitentina 5 tapitrisa ariary ary solosaina roa no lasan’izy ireo.

Tsy izay ihany fa mbola najifa ihany koa ny firavaka volamena izay tombanana ho any amin’ny 250 grama. Ireo no indray lasan’ny jiolahy tao amina tokantrano roa teny Andraisoro afak’omaly tokony ho misasakalina. Raha araka ny vaovao nampitain’ny zandary dia manao fanamiana mainty, ireny fanaon’ny mpitandro ny filaminana rehefa hanatontosa ny asany ireny. Misy soratra FIS lehibe eo amin’ireo fanamiana ireo. Raha ny fomba nahatafidiran’ireo jiolahy tao an-trano indray dia nopoizinina aloha ny alika ka rehefa maty ireo dia mora kokoa ny nanatontosa ny asa ratsy. Fisandohana ve sa tena olon’ny FIS indray ireto nanafika ireto ? Efa maro tamin’ny miaramila teo anivon’io sampana io mantsy no nanatontosa asan-jiolahy toy izao. Ary taty aoriana aza dia mainka koa nihombo izany rehefa nisy ny tsy fifankahazoan’ny lehibe roa namorona ny FIS. Entin’ny iray hanaratsiana ny iray ve sanatria ny tranga toy izao sa kosa tena fisandohana tsotr’izao fotsiny mba entina handotoana ny anaran’ny FIS ? Asa aloha fa ny tranga toy izao dia mainka koa mampihombo ny tsy fahatokisan’ny olona ny mpitandro ny filaminana… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT