Actualités

Andovoranto Brickaville Nisy «bois de rose» roa kaontenera saron’ny zandary


  • Talata 11 Mey 2010

Manao tohivakana ny fanambarana mandrara ny fikapana sy fitaterana na fanondranana hazo sarobidy, indrindra fa ny andramena na ny «bois de rose».

Tsy kely lalana anefa ny ratsy fa mahita hirika hatrany handefasana itony hazo sarobidy itony, toy ny nitranga tao amin’ny vava lapasy ao Andovoranto Brickaville ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 10 mey teo. Nisy botry nitsofoka tampoka teo amin’io vinany ao Andovoranto io, nanaitra ny mponina tao satria tamin’ny andron’ny fanjanahantany no nahitana sambo niditra tamin’io vava lapasy io. Rehefa niroso nanaraka ny ranomamy ilay botry dia naka morona ary nampidina bolabolan-kazo «bois de rose» maromaro, nentina tao anaty kaontenera. Avy any amin’ny faritra Ambatosoa iny no fiavian’ireto entana ireto saingy tsy fantatra mazava kosa ny antony nahatongavany tao. Omaly ihany dia tonga nizaha ireto entana ireto tany an-toerana ny zandary avy ao Brickaville. Mandeha anefa ny feo fa misy tompon’andraikitra ambony ao ambadik’ity raharaha ity, ary mikaro-dalana any ambadimbadika any hamoahana ireo hazo sarobidy ireo. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT