Tamin’ny alalan’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy misahana ny ady amin’ny mahadomelina etsy Anosy fa misy lehilahy mivarotra rongony eny amin’ny faritra Andohatapenaka.
Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy ny alatsinainy teo, ka tratra tao an-tranony teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray 45 taona. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony iray sakaosy milanja 8kg sy 56 fonosana. Niaiky izy fa azy ireo rongony amidiny ireo, ary avy any Betroka no foibeny. Vidiany 200.000Ar ny iray sakaosy izay milanja 10 kg ka tsinjarainy amin’ny fonosana ary hamidiny 500Ar ka hatramin’ny 2.000Ar ny fonosana iray. Tamin’ny angom-baovao no nahafantarana fa efa ela ity lehilahy ity no nanao izao asa izao saingy izao vao tra-tehaky ny polisy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.