Henjana ny asa miandry ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny minisiteran’ny Fitaterana manoloana ny fanaraha-maso ireo mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana mikasa ny hifindra toerana eny amin’ny toby fiantsonana vaovao eny Andohatapenaka.
Tsy niandry ela mantsy fa efa tongan’ny mpivarotra mandehandeha sahady ny eny amin’ity toby fiantsonana iray vaovao ity. Lohalaharana amin’ireny ireo mpivarotra hani-masaka toy ny vary sy ny laoka, raha eo ihany koa ireo mpanao taxiphone, ireo mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiara… Tsy niandry ela ireo tompon’andraikitra ireo fa nametraka mpiambina avy hatrany ka miisa valolahy ireo misahana izany asa izany amin’ny andro antoandro. Miambina ireo olona mikasa ny hanangana tsena eny amin’ilay digy manamorona ny ranon’Ikopa iny izy ireo izay manao tohivakana mamariparitra ny toerana eny tokoa nanomboka tamin’ity herinandro ity. Raha tsiahivina, tsy azo hanorenana fotodrafitrasa mihitsy ny digy sao sanatria mihotsaka. Anisan’ny vavahadin’Antananarivo ihany koa ny lalana eny Andohatapenaka, lalovan’ireo vahiny avy any ivelany hitsidika antsika ka tsy azo hatao kitoatoa. Misy ihany moa ireo boxe voatokana hivarotana sakafo sy hani-masaka ao amin’ity toby fiantsonana ity, raha araka ny fantatra saingy mbola miandry ny fandaminan’ny tompon’andraikitra vao afaka miasa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.