Nataon’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy laharam-pahamehana ny famahana ireo olana sosialy mahakasika mivantana ny fiainan’ny mponina ao Andoharanofotsy.
Nohatsaraina, ohatra, ny lafiny fitantanana eo anivon’ny Kaominina toy ny fikirakirana haingana ireo antontan-taratasy izay ezahina vitaina ao anatin’ny 24 ora hisorohana ny kolikoly. Natokan’ny mpitondra ifotony hanadiovana ny eny anivon’ny fiarahamonina moa ireo volana voalohany nandraisana ny fitantanana ny tanàna. Nofoanana ireo fako misavovona ary noferana in-droa isan-kerinandro dia ny talata sy zoma ny fandraofana azy ireo. Nodiovina ireo tatatra sy lakandrano ary ireo lalana anaty tanàna niaraka tamin’ny fandaminana an’ireo tsena lalantany, tsena be ary Iavoloha izay teritery sy nanjakan’ny mpangarom-paosy teo aloha. Mazava ny tanàna taorian’ny famatsiana ireo takamoa miisa 120. Nandraisana fepetra manokana ihany koa ny teo amin’ny lafiny fitaterana izay nampimenomenona ny mponina. Tontosa hatramin’ny 75% ny asa fifehezana ireo olana sosialy mifandraika amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ao Andoharanofotsy, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna TIM, Ranirison Hasina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.