Saika nitroatra noho ny delestazy lavareny ihany koa ireo mponin’Andoharanofotsy ny alakamisy alina teo.
Nivoaka ny tokantranony avokoa izy ireo sady nandoro kodiarany teny amin’ny arabe nanakana ny fifamoivoizana nihazo ny lalam-pirenena fahafito. Tsy niandry ela anefa fa nifampiraharaha avy hatrany tamin’ireo mponina ireo ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy Ranirison Hasina sy ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena ka niravona vetivety ny olana. Nihaino ny hetahetan’ny mponina izy ireo sady nampita izany avy hatrany ny zava-misy tamin’ny orinasa JIRAMA ihany koa. Raha araka ny fantatra mantsy dia misy amin’ireo faritra sasany toy ny faritra andrefana ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy no tsy mahazo herinaratra mihitsy mandritra ny tapak’andro raha mahazo ihany ny sasany fa kely. Nanaiky ny hijery akaiky izany ny JIRAMA raha nanome fotoana amin’ny volana aogositra kosa izy ireo ny amin’ny hiverenan’ny rano tanteraka. Nanambara moa ity Ben’ny tanàna ity fa na dia ny kaominina iadidiany aza mba misedra olana vokatry ny delestazy ihany koa saingy tsy mety ny fanimban-javatra ary tsy maintsy harindra ny fiarahamonina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.