Actualités

Andoharanofotsy Ny mamo indray no niantso zandary


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Ara-bakiteny ilay fitenenana manao hoe “mamo miantso polisy” raha ity tranga iray niseho teny Andoharanofotsy.

Teny anivon’ny borigadin’ny zandarimarian’Andoharanofotsy no nisehoan’ny tantara ka nahatonga ilay fitenenana novana tsotsotra hoe “ny mamo indray no niantso zandary”. Indray zoma, tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany  hariva dia nisy tovolahy iray tavela irery tao anaty taksibe 187 handeha ho any Fiadanamanga ka nila vaniny tamin’ny resevera sy saofera izay tsy maintsy mbola niandry olona hiakatra teo amin’ny fiantsonana. Nodarohan’ity tovolahy ity ilay mpanampy ny mpamily sady nosintoniny ny vola rehetra teny aminy. Nahita izany ilay saofera dia nivoaka ny fiara nijery ny zava-nisy tany aoriana ka niaro ny reseverany nefa dia nahazo tsipaka koa. Nahay niala io ka ilay tovolahy mamo nidaroka indray no nitrosona teo amin’ny “marche à pied” an’ilay fiara. Mbola narahiny nodarohina ilay saofera avy eo ary nalainy avokoa ny vola tany aminy nitentina 155.000 ariary. Rehefa nitangorona ny olona ka saika hanao fitsaram-bahoaka tamin’ilay lehilahy dia nifona ilehio ka lasa nitsoaka avy eo. Noheverin’ilay mpamily sy ny namany fa vita teo ny raharaha satria tsy fantatra ny momba an’ilay lehilahy nandroba sady efa nifanaraka tamin’ny tompon’ny fiara koa izy ireo fa hanefa amin’ny karaman’izy ireo ny vola very. Akory anefa ny hagagana fa 10 andro aty aoriana dia nahazo fiantsoana avy tamin’ny zandary tao Andoharanofotsy fa hoe nitory ilay lehilahy nidaroka azy ireo ka nilaza fa izy indray no voavono ary very tamin’izany koa ny telefaoniny. Teo vao fantatr’izy ireo ny mombamomba an’ilay lehilahy. Nametraka fitoriana koa izy ireo saingy voatery nafindra tany amin’ny zandary hafa noho ny tao Andoharanofotsy tsy ampy fitaovana ka tsy afaka nandray ny fitarainan’izy ireo. Voalazan’ny mpiandry raharaha tao mantsy fa tsy manana solosaina hiasana ity borigadin’Andoharanofotsy ity fa “portable” an’ny zandary mpiasa manokana no hampiasaina ao ka tsy ahafahana misahana famotorana betsaka raisina. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitry ny zandarimariam-pirenena mba hijereny ny fitaovan’ity borigady ity izay akaikikaiky ny toby foibe ihany raha tsorina.

Rabri


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT