Actualités

Andoharanofotsy Notafihan’ny jiolahy ny tranon’i Horace Constant


  • Zoma 06 Aogositra 2010


Jiolahy efatra, samy nitondra PA no tonga nanafika ny tranon’i Horace Constant tetsy Andoharanofotsy afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 12 ora. Nopoizinin’izy ireo ny alika efatra izay maty avokoa. Nopoiriny ny arom-baravarana izay vita amin’ny vy na «grille de protection» avy eo ary dia tafiditra soa aman-tsara tao an-trano ireo jiolahy na dia teo aza ny fisian’ny polisy mitam-basy izay miambina ny trano. Resin-tory tanteraka io farany raha araka ny fantatra, hany ka nanamora ilay asan-jiolahy. Ny olona tao an-trano indray aza no taitra talohany ary nampandre azy. Nanao ny fanenjehana ihany ary nanapoaka basy ny anao lahy saingy nandamoka izany. “Ordinateur portable” miisa efatra, firavaka volamena maromaro ary basim-borona roa no lasan’ireo jiolahy tamin’ity fanafihana ity. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT