Tsy mifidy hasiana intsony mihitsy ny olon-dratsy. Nidiran-dry zalahy ary norobainy ny tranon’ny Jeneraly miaramila iray tetsy Andoharanofotsy. Ny alin’ny zoma lasa teo no nitrangan’izany. Raha ny fantatra anefa dia misy fitaovam-piadiana ao amin’io trano io satria ankoatr’io Jeneraly io dia mbola manamboninahitra miaramila ihany koa ny zanany. Tsy nisy afaka naninona anefa izy mianaka rehefa ireo jiolahy no tafiditra mialoha tao an-tranony. Nopoizinin’izy ireo aloha ny alika ka rehefa “nitsipaka” tsirairay dia nanararaotra niditra tao an-trano amin’izay izy ireo. Tao indray dia tsy nisy naheno mihitsy ny fahatongavan’ireo jiolahy noho ny fampiasan’ireto farany fonoka. Ilay zanaky ny Jeneraly miaramila no taitra voalohany saingy efa basy no niandry azy. Lasa tamin’ity fanafihana ity ny vola mitentina 2 tapitrisa ariary sy ny firavaka volamena ary ny lecteur”” tao an-trano. Efa nisy fiara niandry ireo jiolahy ihany koa nandritry ny fivoahany, hany ka vetivety dia nanjavona izy ireo. Tonga teny ihany ny zandary rehefa nantsoina saingy efa tsy nahita na inona na inona intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.