Tontosa omaly tao amin’ny fiangonana Fjkm Mahalavolona ilay fotoam-pivavahana lehibe nokarakarain’ny kaominina Andoharanofotsy nentina nitondrana am-bavaka ny asa hotanterahin’izy ireo amin’ny taona 2018 ho avy io.
Olona marobe tokoa no tonga nanohana ny antso tamin’izany, nahitana ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ireo mpanabe eo anivon’ny kaominina, ny mpianatra, ireo mpiara-miombon’antoka. Velom-pisaorana tanteraka ny rehetra ny ben’ny tanàna Ranirison Hasina, indrindra fa ny SLC eo anivon’ny kaominina. Tsiahivina moa fa nisy ihany koa ny fisaorana an’Andriamanitra noho ny asa vita tamin’ity taona 2017 ity narahin’ny fitrotroana am-bavaka ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.