Actualités

Andoharanofotsy Nanapoaka basy ny mpiambina ny zanaky ny filoha


  • Zoma 10 Febroary 2017

Somary nanaitra ny nandre fipoahana teny Andoharanofotsy manakaiky ny IT University teny halina tokony ho tamin’ny 9 ora teo,na dia tsy nirefotra be aza dia azo antoka fa fipoahana basy ilay izy hoy ireo nandre ny zava-niseho

.Raha ny angom-baovao natao dia avy ao amina fiara iray miloko mainty izay nitondra zanak’olona ambony teto amin’ny firenena no nihavian’io fipoahana indray mandeha io.Tsy nisy aloha ny naratra na aina nafoy ary araka ny fampitam-baovao voaray ihany dia mety fanapoahana basy mba hanairana ny mpiambina ilay trano mba hamoha haingana ny vavahady no nitranga.Na izany aza anefa nanaitra ny manodidina ihany ity raharaha ity , efa iaraha-mahalala ihany ny tsy filaminana misy eto an-drenivohitra ka manjary mora taitaitra ny olona.Ireo olona teny amin’ny manodidina moa no nahazoana ny vaovao fa hoe an’ny zanaky ny filohampirenena io fiara miloko mainty io sy ilay trano, ary heverina fa ny iray tamin’ireo mpiambina no nanapoaka ny basy.Fanahy niniana ve sa tsinahy ? Tsy mbola fantatra izay tena marina.Na izany aza anefa dia tsy mbola nisy ny fampitam-baovao ofisialy na avy amin’ny mpitandro filaminana na avy amin’ny fiadidiana ny repoblika momba ity tranga teny Andoharanofotsy halina ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT