Actualités

Andohan’Ilakaka Nanofana momba ny fiahiana ara-tsosialy ny CNaPS


  • Zoma 22 Desambra 2017

Kaominina vaovao Andohanilakaka, ao anatin’ny distrikan’Ihosy faritra Ihorombe no misy azy. Ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no anton’asan’ny ankabeazan’ny mponina. Mbola maro anefa ny mpiasa no tsy mahafantatra ireo tombontsoa tokony horaisiny eo anivon’ny Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy.


 Izay indrindra no nahatonga ny ekipan’ny CNaPS nahitana ny masoivoho Ihosy sy ny sampandraharaha misahanana ny hetsika ara-tsosialy sy ny fiofanana (SASS) nampiofana ireo delege sendikaly, solontenan’ny mpampiasa sy ny mpiasa tao Ilakaka nandritra ny telo andro. Tanjona ny ampahafantatra ny olona ny atao hoe « CNaPS », ny asany, ny sehatr’asa iasany, ireo tolotra omeny amin’ny fitsinjovana ny fianakaviana, ny fiatrehana ny loza sy ny aretina vokatry ny asa ary ny fitsinjovana ny ho avy, hoy ramatoa Rangavelo Faravavy Marie lehiben’ny masoivoho CNaPS Ihosy. Nahatratra 60 ireo mpandray anjara namaly ny antson’ny Tahirim-pirenena. Anisan’izany ramatoa Frankeur Tiana Patricia, miasa amina trano fandraisam-bahiny ao Ranohira. Nambarany fa tsara ny fiofanana satria nahafantarana ireo zo omen’ny CNaPS ho an’ny mpiasa, indrindra nampianatra anay ny adidin’ny mpampiasa. Koa manentana antsika mpiasa ny tenako mba hiteny amin’ny mpampiasa amin’ny fampidirana antsika ho mpikambana CNaPS ary hanefa ny latsakemboka satria tombontsoa ho antsika izany.  matetika mantsy dia ny mpiasa ihany no malaina hanalàna ilay 1% amin’ny karamany isam-bolana amin’ny fanefana ny latsakemboka kanefa dia didin’ny lalàna izany no koa tombony ho an’ny mpiasa rahateo. Tsy amin’ny ho avy amin’ny fahanterana ihany fa am-perinasa dia efa afaka misitraka ny zony ny mpiasa amin’ny alalan’ireo fanampiana ho an’ny vady aman-janaka rehefa mitondra vohoka na rehefa teraka na rehefa marary na voan’ny loza vokatry ny asa.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT