Rongony saika hamidy any amin’ny tanŕnan’Andriamena no sarona ny faran'ny herinandro teo.
Nandritra ny fisafoana tampoka nataon’ny zandary tao anelanelan’i Befoza sy Andilamena no nahasaronana ireo mpanao aferan-drongony amin’iny faritra iny. Efatra mianadahy izy ireo no niaraka. Vao nahita ireo zandary ireo telolahy dia lasa nitsoaka fa ilay ramatoa tompon’entana sisa tavela teo. Maizina rahateo ny andro ka nananosarotra ny fikarohana azy ireo. Ilay ramatoa sy ireo rongoniny kosa nentina namonjy ny tobin’ny zandary tao Andilamena. Ny talata teo no nitohy ny famotorana ilay ramatoa tao amin’ny tobin’ny zandary ao Ambatondrazaka. Ilay rongony milanja 50kg dia nodorana teo imason’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tao Ambatondrazaka. Nanambara ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Alaotra Mangoro ny kolonely Ranaivonampoizina Harilaza fa mitohy ny ezaka fampandriana fahalemana ny faritra Alaotra Mangoro ka mampitandrina ireo zatra manao lalan-dririnina izy ireo fa tsy hitsitsy izay manao heloka.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.