Actualités

Andilamena Noroahina avokoa ireo vahiny mpitrandraka vato


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Vetivety foana dia nangina ny tanàna tao Andilamena. Tsy maintsy niala io tanàna io ireo Srilankey hikarakara ny antontan-taratasy momba azy any amin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany.

 

 

Araka ny fanazavana voaray dia misy tsy dia mazava ny antontan-taratasin’ireto vahiny mpividy vato ireto, anefa manararaotra amin’ny fanangonana ireo vato sarobidy eto Madagasikara izy ireo. Efa vahoaka marobe no mitrandraka vato ao amin’ny karieran' Andilamena amin’izao fotoana izao izay samy ahitana ireo foko maro misy eto Madagasikara, eny fa hatramin’ireo vahiny aza hita mitrandraka vato ao avokoa. Na tsy voakasika amin’izao fandroahana izao aza ireo Malagasy mitrandraka vato dia mangina ny tanàna. Araka ny voalazan'ireo raiamandreny ao an-toerana dia mety hiverina indray ny asan-jiolahy (halatr'omby, vaky fasana, halatr'olona, vaky trano sns....) satria hiakatra an-tanàna indray ny dahalo izay efa lasa nangady vato any an-kariera Andrebabe ary araka ny fahazoan'ny olona azy dia fanakatonana kariera an-kolaka io fandroahana ny vazaha mpividy vato io satria rehefa tsy eo intsony ny mpividy dia mety hikatona ny kariera.

Niry A.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT