Misedra olana goavana eo amin’ny lafiny herinaratra ny vahoaka ao an-drenivohitry ny distrikan’Andilamena amin’izao fotoana. Zara fa mandeha ny herinaratra ary tsy misy ora raikitra fandefasana azy sy
fanapahana azy fa alefa amin’izay ora tiana handefasana azy ary tapahina amin’ny ora izay tiana hanapahana azy. Noho ny faharatsian’ny lalam-pirenena RN3A mampitohy an’Andilamena amin’Amparafaravola no voalaza fa antony. Vokatr’io mantsy dia tsy tafiditra aty Andilamena intsony ny fiarabe mpitondra solika ka dia trakitera no itaterana ny solika. 3 000 litatra ihany anefa no mba zakan’ny trakitera tamin’ny 28 febroary teo, nefa 24.000 litatra ny solika sahaza an’Andilamena ao anatin’ny iray volana. Sahirana ny mpandraharaha, mitaraina ny vahoaka. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 1997 no niorina tany Andilamena ny fitaovana famokarana herinaratry ny Jirama.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.