Ny fisamborana an'i Tokanono izay voalaza fa mpimasin'i Remenabila sy mpitahiry ny odiny no vokatra azo atao hoe lehibe vitan'ireo mpitandro ny filaminana nalefa hiady amin'ny dahalo any Betroka, tato anatin’ny herinandro izao.
Tany amin'ny 35 km atsimon'i Betroka no nahitana azy ary sambo-belona tsy nisy fifandonana ity natao ity. Azo antoka fa tsy hipetra-potsiny manoloana izany ireo ekipan-dRemenabila fa tsy maintsy hamalifaty, ary mety izay vao tena ho henjana ny fifandonana. Milaza ny vonona tanteraka moa ireo mpitandro filaminana any an-toerana na dia nihena aza ny vola raisin'izy ireo isan'andro. Tsikaritra ihany koa fa misy ihany ny zavatra manjavozavo eo amin'ny fibaikoana ireto andian-tafika manokana nalefa any Betroka ireto. Ny filohan'ny tetezamita dia nanome andraikitra feno ny kolonely Lylison hitari-tafika. Ny faran'ny herinandro teo indray anefa dia navoaka fa ny lehiben'ny etamazoro jeneralin'ny tafika na CEMGAM no mibaiko ireo miaramila ao anatin’ity andian-tafika manokana ity.
Ny mampatahotra amin'io resaka io dia sao lahy ho lany andro amin'ny kipitsopitson'ny fomba fibaikona ny tafika ka hanamora ny asa ratsin'ny malaso izany. Tany am-boalohany dia tokony ho efa napetraka mazava ny fomba fiasa fa tsy efa ho 5 andro aty aorian'ny nanombohan'ny hetsika vao samy te ho sefo ireo be galona. Ny FIS moa raha ny tokony ho izy dia efa tsy misy intsony satria efa be loatra ireo tandrevaka amin'ny asa vitany, ary ny Frantsay aza dia efa nilaza tamin’ny alalan’ny masoivohony teto, Jean-Marc Chataigner fa milisy mitam-piadiana ny FIS ka tokony horavana. Manampy izay dia miankin-doha mivantana amin'Ambohitsorohitra ny FIS ary matetika no manao zavatra, ka tsy miera na miandry baiko amin'ny CEMGAM izany fa tonga dia lasa izao ! Tao anatin'ilay taratasy miafina avy ao amin'ny Quai d'Orsay moa dia nisy filazana fa efa nanana drafitra manokana handemena ny tafika Malagasy ny Frantsay sy ireo miara-miasa aminy ka izay no antony mety tsy hahafehezan'ny mpitandro ny filaminana Malagasy ny toe-draharaha any atsimo. Noho izany dia mety efa tafiditra ao anatin'izay drafitra izay ity savorovoro amin'ny resaka fibaikona ity, izany fibaikoana izany anefa no tena fototra iorenan'ny foloalindahy ka rehefa manjavozavo ny baiko na misy baiko mifanohitra na mifanipaka dia tsy misy asa tsara vitan'ny tafika izany eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.