Actualités

Analamahitsy Cité Narodana ilay tamboho niorina teo ambony “Buse”


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Miezaka mampanara-dalàna ireo rehetra manao fanorenana hatrany ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

 

 

Tamboho iray tsy nahazoana fahazoan-dalana mirefy 8 m ao amin’ny logt 200 teny amin’ny fokontany Analamahitsy Cité no narodana omaly talata 30 jolay 2019. Efa nisy ny fampitandremana laharana 2683/CA tamin’ny 9 mey 2019 natao tamin’ny tompon’ity tamboho ity, taorian’ny fampilazana tsotra natao azy ireo sy ny fidinana ifotony nataon’ny “inspecteur de voirie”. Ity tamboho ity izay sady miorina eo ambonina “buse souterraine” no anaty lalam-bahoaka ary vokatry ny fanorenana dia simba ity “buse”ity, mbola teo amin’ny fihadiana fototra tamin’izany fotoana. Nasaina namerina tamin’ny laoniny ny tany sady hanajanona ny asa kosa ny tompony ny 22 jolay 2019, izay natrehan’ny vaditany ary nampiarahina tamin’ny didim-pitondrana (arrête), izay marihina fa voarain’ny tompony soa aman-tsara. Mbola nitohy ihany anefa ny asa, vokatr’izay dia tsy maintsy niroso tamin’ny fandravana ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly araka ny “ arrêté municipale n°675 – CUA/CAB.19”.  Tsara kokoa ho an’ireo manao fanorenana ny fanajana ny lalàna sy ny fananatona ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina mialoha ny hanatanterahana ny asa rehetra.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT