Anisan’ny vinan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ny asa fanadiovana sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo.
Omaly alatsinainy, ohatra, dia ny pavillon eny Analakely sy ny manodidina no nanaovan’ireo ekipa mpanadio avy eo anivon’ny boriboritany voalohany sy ny pompier ny asa fanadiovana notronin’ireo mpivarotra eny an-toerana. Ankoatra ny asa fanadiovana dia nanentana ireo mpivarotra ihany koa ireo tompon’andraikitry ny tanàna mba hamonjy ireo tsena ara-dalàna. Hiverimberina matetika ny hetsika fanadiovana ny tanàna toy izao, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina mba hisian’ny fandaminana ny tanàna, indrindra fa ny fifamoivoizana sy ny fifamezivezena eto an-drenivohitra. Mbola hitohy ao amin’ny Hotely Zaimaika ity hetsika fanadiovana ity. Tsy haitraitra ny asa fanadiovana sy ny fidiovana fa tokony hatao fiainana mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.