Actualités

Analakely Nikomy ny mpamily taxi-be


  • Zoma 16 Jolay 2010


Tsy nisy nety niala teo an-toerana ireo mpamily taxi-be marobe. Ny antony dia mba ho firaisankina amin’ny namany iray izay nalain’ny polisy ny taratasin’ny fiarany rehefa nisy fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Manao hetsika tsy hijanonan’ny taxi-be eo anoloan’ny gara Soarano mantsy ny polisy noho io faritra io tsy misy toeram-piantsonana. Ao anatin’izany anefa dia raikitra avy hatrany ny fangalana taratasy sy fanomezana sazy isan-karazany rehefa lazaina fa misy ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy vitan’izay aza fa nisy saofera maromaro ihany koa voatery nentina tany amin’ny biraon’ny polisy. Izany rehetra izany no nitarika ny fahatezeran’ireo namany hafa izay tsy nety niala teo amin’ilay fiantsonana niaingain’ny olana omaly. Niteraka fitohanana lavabe ny zava-nitranga. Voatery nampiasa hery ny mpitandro ny filaminana ka naka ireo saofera izay voalaza fa nikomy eo anatrehan’ny mpitandro ny filaminana. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT