Raha tsy nisy zandary tonga haingana teo an-toerana dia asa fotsiny izay nitranga omaly alina, tetsy Analakely. Mamobe ilay mpanolotsain’ny HAT ary nandona fiara 4X4 izay an’ny jeneraly iray eo anivon’ny HAT ihany koa. Itsy voalohany aloha tonga dia avy hatrany dia namoaka ny karatra maha mpanolotsaina azy ary naderaderany tamin’ny olona teo koa izany. Tsy vitan’izay fa mbola niantso tetsy sy teroa ireo olona ambony eny anivon’ny tetezamita ihany koa izy. Vokatr’izany, vetivety dia tonga teny an-toerana ny zandary. Rehefa nahafantatra anefa izy ireo fa jeneraly ny an-kilany dia tsy nisy na inona na inona azo natao. Tezitra tamin’izany ingahy mpanolotsaina dia nanaovany ompa variraraka indray ireo mpitandro ny filaminana. Satria samy HAT, ny niafarany dia nandeha tamin’ny tokony ho izy ny asan’ny mpitandro ny filaminana. Nosavaina ilay mamo, hay tsy nisy “permis”. Nojerena ihany koa ny tahan’ny alikaola tao anatiny hay efa mihoatra ny 4grama isaky ny litatra ny rany. Teo dia tapa-kevitra ny zandary ny nitondra azy avy hatrany. Manala-baraka ny fitondrana...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.