Actualités

Analakely 4’Mi iray fiarabe nosamborina


  • Talata 03 Aogositra 2010

Raikitra ny fisamborana ireo tsy manan-kialofana na 4’mi omaly tolakandro, tetsy Analakely. Nidina teny an-toerana ny polisin’ny kaominina izay nampian’ny polisy nasionaly.

Avy hatrany dia nanao ny fanamborana ireo ka olona marobe no nampidirina tao anatin’ny fiarabe iray sy fiara mini-bus iray. Raha araka ny fantatra dia tafiditra ao anatin’ny fanadiovana an-drenivohitra izao hetsika izao. Nentina eny Anosizato ireo olona ary eny izy ireo no miandry izay fikambanana hiahy azy avy eo. Omena sakafo sy izay mety hilainy amin’ny fiainana andavanandro aloha mandra-pahitana izay asa sy lalana tokony halehany, arakaraka ny fikambanana handray an-tanana. Ny olana kely anefa dia maro amin’ireo olona no efa zatra mandray vola isan’andro amin’izay asa madinidinika ataony kanefa tapaka tampoka izany rehefa niova toerana. Izay no mahatonga ny sasany hitsoaka na dia efa omena sakafo fotsiny aza eny amin’ny toerana nandraisana azy. Dikan’izay dia mila fantarina tsara ny asa mety mifandraika amin’ny filan’ireo olona mba hampamitsaka azy ireo. Mety tsy nianatra mantsy ireo fa kosa mahay zavajavatra kely izay nahazoany traikefa tamin’ny firenirenena teto an-drenivohitra. Azo hatsaraina ny traikefa kely nananany ary havadika ho fidiram-bola fa tsy terena ho any amin’ny fambolena hatrany ireo olona. Tranga efa mpiseho izao ary fitsoahana hatrany no fiafarany. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT