Actualités

Anakao «Guide touristique» nanjavona


  • Alarobia 19 Mey 2010


Ity mpanoro lalana ity no voatendrin’ny «Agence de voyage» izay iasany hitondra ireo Italiana efatra hizaha tany eto Madagasikara. Raha araka ny fantatra dia avy any Sambava izy ireo no niainga ary nihazo an’i Toliara. Nandeha Ifaty indray nony avy eo. Naka lakam-bezo dia nihazo an’i Anakao sy Nosibe. Rehefa tonga tao amin’ity nosikely farany ity dia samy nanao izay tiany ireo andian’olona. Ny sasany nandehandeha nizaha ny tanàna, ny sasany kosa mba niala voly nanao fanatanjahantena kely. Ilay «guide» dia anisan’ilay mba nihazakazaka kely teo amoron-dranomasina. Kinanjo fotoana fohy avy eo dia tsy hita intsony izay nanjavonany. Manoloana an’izany dia voatery nampodiana haingana avokoa ireo mpizahatany izay raha araka ny fantatra dia afak’omaly no naka fiaramanidina tetsy Ivato. Hatramin’ny omaly, tsy mbola hita ihany io mpanoro lalana io. Nidina tany Anakao ny zandary ao Toliara mba hanao fanadihadiana ary ny havan’ilay mety ho niharam-boina ihany koa dia marobe no efa tonga tany Toliara.  

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT