Actualités

Ampitatafika Olona efatra nataon’ny jiolahy takalon’aina


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

Asan-jiolahy izay anisan’ny nahatalanjona ny maro ity nitranga tetsy Ampitatafika ity. Tao amin’ny tokantrano iray izay azo lazaina fa tsara ambina eto an-drenivohitra mantsy no mbola vitan-dry zalahy hatrany ny nandroba azy.

Raha araka ny vaovao nampitaina taminay dia miisa 12 lahy ary samy mitondra kalachnikov no sady manao kiraro “rangers” ihany koa izy rehetra. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, tokony ho tamin’ny 11ora sy 45 minitra izy ireo no nigadona tao rehefa nisaoty tamboho. Niditra avy hatrany tao an-trano ka izay olona sendra azy dia natao takalon’aina avy hatrany. Tsy nisy sahy nitifitra ireo mpiambina sy ilay raim-pianakaviana tao an-trano izay samy nanana basy avokoa. Voatery nanaiky sy nanome izay notadiavin’ireo jiolahy arak’izany. Raha ny fantatra dia vola mitentina 7 tapitrisa ariary miaraka amin’ny firavaka volamena marobe ary koa taratasin’ny fiara sy ny entana maro samihafa izay mora nobataina no lasan’ireto jiolahy. Niala moramora ry zalahy avy eo ary nilaza fa tsy mpamono olona izy ireo fa mpangalatra fotsiny. “Mila mitondra vola mody izahay satria ny hofan’ny basy fotsiny no iray tapitrisa ariary” raha araka ny filazan’ireo jiolahy hatrany. Omaly ihany dia nisy ny olona voasambotry ny zandary momba ity raharaha ity. Haingana mantsy dia nahavita nampandre azy ireo ny tompon-trano. Tany Malaza no nahazoana an’ireo olona ireo ary dia nanamarina tokoa ny tompon-trano fa tena anisan’ireo jiolahy nandray anjara izy ireo.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT