Vehivavy iray manodidina ny 40 taona, mamo no fantatra fa maty voahitsaky ny kamiao teny Ampitatafika omaly antoandro, lalana miditra ho any an-tanàna, vao miala ny tetezana. Feno fasika ity kamiao ity, raha araka ny vaovao azo.
Namoy ny ainy avy hatrany ity farany, antony niteraka fitohanana goavana teny an-toerana. Teo amin’ny lohany no notetezin’ny fiara. Raha araka ny fantatra hatrany dia tsy hitan’ny mpamily mihitsy io vehivavy io fa nipetraka ary nivembena, ka nifatratra tany ambany kodiarana avy hatrany. Tsy naninona kosa ilay menaky ny ainy vao am-bolana, teny an-tanany. Rehefa hitan’ireo nanatri-maso fa tena mamo izy dia noraisin’izy ireo ilay zaza, ka izay no nahaavotra ny ainy. Avy any amin’ny fokontany Ankaditany io ramatoa maty io. Tsy fitandremana kely dia efa mety hitera-doza ho an’ny tena sy ho an’ny hafa ka aleo ihany mitandrina. Raha ity zava-doza niseho ity mantsy na inona inona mety ho fahadisoan’ny mpamily ilay fiara, na inona na inona mety ho fahadisoan’ilay ramatoa namoy ny ainy, dia miteraka fahasahiranana ho an’ny hafa hatrany. Manginy fotsiny ny fotoana sy ny vola lany amin’ny mpitandro ny filaminana sy eny aminy fitsarana satria tsy vitavita ho azy ny zava-doza tahaka izao. Amin’ny vanim-potoana ankatoky ny fety tahaka izao rahateo no matetika hisehoan’ny loza mahatsiravina, ka aleo ihany misoroka, toy izay mitsabo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.