Actualités

Ampitatafika Atsimondrano Hampiasa Cyclo-pousse sy Bajaj


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Hampidirina hanampy ny fitaterana ireo mponina eny anivon’ny fokontany ao anatin’ny kaominina Ampitatafika,

distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny cyclo-pousse sy ny Bajaj. Fantatra izany taorian’ny fitsidiham-paritra narahina fanovozana traikefa notanterahin’ny kaominina Ampitatafika tany Toamasina ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado fa izao no hatao dia hanampiana ny fitaterana eny anivon’ny fokontany. Efa betsaka ireo lalana vita rarivato nandritra ny fotoana nitantanako ny tanàna, hoy izy ka rariny raha misitraka ny tombony azo avy amin’izany ny mponina. Ho an’ny cyclo-pousse manokana dia miisa 15 ireo kasaina hampidirina, miisa 20 kosa ny Bajaj. Na izany aza, mbola hisy ny resaka hifanaovan’ny kaominina amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) mba hisian’ny fandaminana. Aorian’izay vao hamoaka ny bokin’andraikitra ny kaominina ary handray ireo mpiasa efa za-draharaha. Mpandraharaha tsy miankina moa no hitantana izany ary ao amin’ny fokontany Ambohimangidy sy Malaza no hisantarana azy voalohany. Tsy mahazo mivoaka any amin’ny lalam-pirenena voalohany izy anefa ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT