Tafahoatra ! Izay no azo ilazana ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo zandary sy polisy amin’ireo fiara mpitatitra olona mampitohy an’Ambatondrazaka sy Tanambe, indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fety izao. Tsy ireo mpitatitra ihany no maneho fitarainana fa hatramin’ireo mpandeha vokatry ny fanelingelenana sy ny fotoana lany amin’ny filam-banina sy fisavana ataon’ireto zandary sy polisy any an-toerana ireto.
Misy porofo
Porofo maro no efa nentin’ireo mponina amin’ny tompon’andraikitry ny zandary sy polisy any an-toerana fa tsy misy mihaino izy ireo, ka izao tonga eto an-drenivohitra izao hihaona mivantana amin’ny tompon’andraikitra mivantana misahana ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena. Zandary miasa ao Ambaiboho eo amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra mihazo an’Antananarivo no isan’ireo nahazoana fitarainana maro. Fandikan-dalàna sy fanararaotam-pahefana maro no ataon’izy ireo toy ny fisakanana fiara mpitatitra na dia tsy manao fanamiana maha zandary, mamo, mandeha tokana, aza izy ireo. Eo ihany koa ny fanerena an-kolaka ireo mpamily hitondra maimaimpoana azy ireo, eny ny fianakavian’izy ireo aza. Polisy iray miasa ao Amparafaravola no tena manararaotra fahefana sy manotra tsotra izao ny mpitatitra araka ny vaovao marim-pototra azo avy any an-toerana. Rehefa milaza ny hanomezana taratasy mazava azy ireo handoavany izay sazy voarakitry ny lalàna velona ireo mpitatitra dia ny fandrahonana avy hatrany hampiditra « fourrière » ny fiara no ataon’ity polisy ity sy ny namany. Anio no fantatra fa horaisin’ireo tompon’andraikitry ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ireto solontenan’ny mpitatitra avy any Ampitandrefan’Ambatondrazaka ireto. Manambana ny hanao fitokonambe mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.