Traboina maromaro amin’izao no fantatra fa efa namonjy ny trano fonenany taorian’ny fahamainan’ny tany.
Voakasik’izany manokana ireo mponin’Ampefiloha Ambodirano izay tena nahitana ranobe tokoa ho an’ny teto an-drenivohitra manokana. Notoloran’ny Secours Islamique France fanampiana izy ireo omaly toy ny vary 10 kg isam-pianakaviana, tsaramaso 5 kg niampy lamba firakotra toy ny bodofotsy sy kojakoja fanadiovana ao an-tokantrano hiarovana ny ankizy madinika amin’ny aretina. Ankoatra izay dia fianakaviana miisa 60 izay hita fa nanana trano simba vokatry ny rano no notolorana kojakoja mifandraika amin’izany hisorohana ny mety ho faharavan’ny trano. Fianakaviana miisa 198 hatreto no nahazo tombontsoa tamin’izany ho an’ity fokontanin’Ampefiloha Ambodirano ity. Toraka izany koa ireo fianakaviana miisa 228 ao amin’ny Fokontany III G Hangar.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.