Vola mitentina efatra hetsy ariary natao hividianana kojakoja momba ny fampianarana ity nanjavona ity. Vao miala eny amin’ny biraon’ny paositra izy io dia efa ifandrotehana ka tsy tonga any amin’ny talen-tsekoly tokony hiantefany akory fa manjavona eny am-panidinana, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mety tsy ho ny sekoly fanabeazana fototra rehetra ao anatin’ity distrika ity no tratr’izao fanolanana izao, fa ny mahagaga, hoy ihany ny loharanom-baovao dia misy tatitra tonga any amin’ny Ministera mpiahy fa voarain’ny tokony hiantefany avokoa io vola fanampiana FAF io. Mbola zava-doza mihoatra noho io koa ny resaka mpampianatra FRAM. Araka ny fantatra, tamin’ny fifaranan’ny taona 2009 dia nisy fanadinana ahazoana diplaoma CAP tao amin’ny sekoly teknika izay ao Ejeda. Mitovy lenta amin’ny BEPC io diplaoma io. Afaka manao mpampianatra FRAM raha manana an’io diplaoma io. Na lahy na vavy ka nanam-bola efatra na dimy alina ariary dia nahazo an’io diplaoma io.
Dia mikarakara dosie haingana dia haingana any amin’ny fokontany any, dia mpampianatra rehefa tonga ny fidirana. Maro tamin’ireo olona ireo no niala fianarana mbola teny amin’ny EPP. Kilasy T4 be izao ny sasany ary efa ho folo taona mahery no tsy nianarany. Ny sasany kosa mba teny amin’ny CEG ihany fa tsy manana BEPC. Ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra any ambanivohitra mihitsy no miteny hoe : “tena mahay lavitra noho ireo Ramose mpampianatra ny zanakay”. Voa mafy ireo zanaka tambanivohitra ! Entanina izy ireo hoe “ampianaro ny zaza, fa ireo no hoavin’ity Tanindrazantsika ity”, nefa ny mpampianatra alefa any tsy misy apoaka, ka aiza ny hoavin’ireo zaza ireo ? Ho an’iny distrikan’Ampanihy Andrefana, Faritra Atsimo Andrefana iny dia zara raha misy 30% ny mpampianatra ara-dalàna amin’io sehatra io, araka ny loharanom-baovao ihany. Iza marina no tena tompon’andraikitra manara-maso ? Ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Chef Cisco) sa ny lehiben’ny fari-panentanana pedagôjika (Chef ZAP) ? Ny fitondrana teo aloha tena sarotiny raha tsy manana BEPC ilay olona vao mahazo manao mpampianatra FRAM. Amin’izao fotoana izao, izay manam-bola dia manao kolikoly, dia mpampianatra tampoka teo. Ny loza dia ny any ambanivolo no tena ihandronan’ny rihitra. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny vidim-bokatra efa mahazo azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.