Maniry hihaona amin’ny praiminisitra amin’ny fandalovany rahampitso sabotsy ao Toliara ny solontenam-pokonolona any amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana hitondra fanazavana feno ny zavatra nitranga marina tao amin’ny Kaominin’i Ejeda, nanoloana ny fihoaram-pefy sy fanamparam-pahefana ataona mpitandro
filaminana dimy notarihan’ny Sergent G hampandry tany sy hanara-dia ireo malaso nangalatra omby 77 very tao amin’ny fokontany Ambinda izay nanolana vehivavy iray antsoina hoe V sy naka ombin’olona an-keriny (dramotsy), ny fiandohan’ny volana aprily lasa teo. Araka ny fijerena nataon’ny mpitsabo ao Ejeda, ny 04 aprily 2015, dia niharan’ny fanolanana nitambaram-be ity vehivavy ity.
Tsy matimanota
Raha ny loharanom-baovao dia niray dia tamin’i E mpangalatra omby ireto miaramila izay hanao ny asa fandriampahalemana taorian’ny antso vonjy nataon’ny fokonolona, kanefa nivadika fanolanana sy fakana an-keriny fananan’olona no niafarany. Tonga tany an-toerana nijery ny zava-nisy ary niantoka teo anatrehan’ny fokonolona ny kaomandin’ny RM 5 ao Toliara, fa tsy maintsy hanolotra ny fitsarana ireo nahavanon-doza mba hampiharina amin’izy ireo ny lalàna.
Tsy naiditra am-ponja
Samy miriaria avokoa fa tsy nisy notazonin’ny fitsarana any am-ponja ireto mpanolana vehivavy sy mpanao dramitsy (nampihatra dina tsy ara-drariny) ireto, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Manoloana izany, mampiaka-peo ny vahoaka ary hitondra indray ny raharaha amin’ny fitsarana. “ Anisan’ny mampirongatra ny asan-dahalo any atsimo ny toe-javatra toy izao ka mila sakanana haingana “, hoy ny fanazavan’Atoa E.M.A.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.